You are here: home > Tononkira > TARIKA SELA

FO TOROVANA (TARIKA SELA)

https://tononkira.serasera.org/hira/tarika-sela/fo-torovana-1

                          

Fo torovana sy ginan'ny toloko
Mitambesatra manjoga toa misoko
Alahelo embonembon'olon-tiana
Eto  anivon'orambaratra tsy sina

Tsaroako  iny andro lasa iny
Tsikitsiky sy hehy tamin 'iny
Ny hany mba fanantenaiko
Dia ny hihaona aminao sombin'ny aiko

Mitamberina ao an-tsaina mifanesy
Ireo lokalokanao mba tsy ho lefy
Fahatsiarovana no sisa ho vetsoina
Hampitohy ny alahelo sy ny ratram-po

Tazoniko ho ahy samirery
Ireo diana natao mba tsy ho very
Na ho ela na ho aingana izany
Antenaiko hisy Tsiky dia ampyfihaonana hatrany

Fo torovana sy ginan'ny toloko
Mitambesatra manjoga toa misoko
Alahelo embonembon'olon-tiana
Eto  anivon'orambaratra tsy sina

Fo torovana sy ginan'ny toloko
Mitambesatra manjoga toa misoko
Alahelo embonembon'olon-tiana
Eto  anivon'orambaratra tsy sina

Tsaroako  iny andro lasa iny
Tsikitsiky sy hehy tamin 'iny
Ny hany mba fanantenaiko
Dia ny hihaona aminao sombin'ny aiko

                                      
Tonony sy feony :  HANDRINANTSOA 034 11 141 75 / 033 11 141 75 / 032 11 141 75
                                

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TARIKA SELA
Mpamaky : 502
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : handrinantsoa
Tamin'ny : 17/11/2017 14:12:24
ID : 10163

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo