You are here: home > Tononkira > TARIKA SELA

MBOLA HIARINA (TARIKA SELA)

                

Raha farafara iray mba natoriako
No hesorina hanafoana ny fisiako
Dia ento any ,
Haiko foana ny manao ladina an-tany
Marary aho fa ho sitrany eny ihany

Tsy olona iray no afaka hanafoana
Ny fiainako tsy maintsy hitohy foana
Maharary aho,
Rahampitso ihany dia hananko-pery
Hahita namana aho ka tsy ho irery

Andriamanitra mahay
Izay  nitiavako anao izay
Raha tsy nety ny nataoko
izy hamaly ahy

Hatramin’izay ka hatramin’izao
Ny foko mbola tianao
nefa ny hiverin-dalana ,
Ho sanatriaviko
Hafoiko ianao, hafoiko ianao
Ha sambatra eo anilan ilay rafitononkira.serasera.orgko

Niorina tamin‘ny fanekena
Ny toky sy ny voady izay nomena
Vao tsy ela akory
Ilay  tady no natao fato-maty
Hay moa ny Sonia mba mety ho lany daty

Tsy afaka hijanona eto aho
Sao mbola handoalika aminao
Hisintaka aho mba haka saina
Fa hoavy indray rehefa maraina

Ho gaga ny olona mijery
Fa hanolatra ilay fery
Izay natao tsy ho sitrana
Nikombona hoazy teo

Hatram’izao aloha Ekeko
Ny fitia no fahalemeko
Vao  mahita anareo roa
Misento tokana
Ny marina tsy hafeniko
Diso  tia anao aho , izay no neniko
                  

Tonony sy feony  :  HANDRINANTSOA  034 11 141 75 / 032 11 141 75

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TARIKA SELA
Mpamaky : 601
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : handrinantsoa
Tamin'ny : 17/11/2017 14:33:09
ID : 10167

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo