ANDRO MALAZAN' I SELA (TARIKA SELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                   tononkira.serasera.org    yzuyivy                    
Anio no andro malaza
Anehoana izay zava-kinasa
Sambatr'eny , tafaray samy tia
Vita  voady mandra-maty , hifangia

Anio no santam-pitia
Mampitohy ireo tadim-baliha
Tsofirano ny lalan-kaleha
Fa tanora vao miana-mandeha

Hifaly aho cvidmuo izao, satria sitrakao
Ho lamban'ankoho ,ka tsy hifandao
Hanaraka anao ,ho mandrakizay
Hiaraka isika ,ny fo hifandray

Anio no hiandrasantsika
Ireo sakaiza tsy mahafoy any ampita
Hiara-paly sy hikorana izy ireo
Ka hitosy ary hanandra-peo

Ho tantely xhxj ka higoka ny mamy
Hasambarana hitohy sesilany
Ka ho soa izany fiarahantsika
Mandramaty dia ho fotsy botsiaka

Hifaly aho izao, satria sitrakao
Ho lamban'ankoho , ka tsy hifandao
Hanaraka anao , ho mandrakizay
Hiaraka isika , ny fo hifandray


Tonony sy feony  :  HANDRINANTSOA 034 11 141 75

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : TARIKA SELA
Hits : 2146
Likes : 0 Like
Created by : handrinantsoa
Date : 17/11/2017 14:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0408