Tara-pahazavana (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao mitsiky ianao, dia efa faly aho.
Ohatrany hoe misy hery hafa mihitsy,
Ilay fijerinao tena manintona ahy.
Mampite hanome fitia maro, tsy vitsy
Tsy tarehy ihany na bika, dgrb fa hatramin'ny toetranao.
Dia ho ataoko tsara kolokolo, sanatria aho raha hilalao.

Fa raha maizina ny androko,
Ianao no tara-pahazavana.
Ianao no andry iankinako raha sendra lavo fa ny tany anie ka malama.
Ka tsy avelako ianao,
Tsy avelako hiafiafy,
Satria ianao tsy namela ahy mihitsy na tamin'ny mora na 'zaho niady mafy.

Fa mamy eh! Ny shwdabyz eo anilanao,
'Zaho tsy hiala eh! Satria tiako ianao
Tamana eh! hitoetra tononkira.serasera.org tsy handao,
Satria mamiko ny anilanao.

Ela ny ela fa hitako ihany ilay anjaran'ny fitiavako,
Hitako ihany ilay hitantarako an'izay zava-manjo,
Fa raha mbola tany koa ny tany, dia izao no tadidio,
Fa sambatra sy miadana aho satria mitempo anao anie io foko io.

Fa raha maizina ny androko,
Ianao no tara-pahazavana.
Ianao no andry iankinako raha sendra lavo fa ny tany anie ka malama.
Ka tsy avelako ianao,
Tsy avelako hiafiafy,
Satria ianao tsy namela ahy mihitsy na tamin'ny mora na 'zaho niady mafy.

Fa mamy eh! Ny eo anilanao,
'Zaho tsy hiala eh! Satria zswrfxa tiako ianao
Tamana eh! hitoetra tsy handao,
Satria mamiko ny anilanao.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 8193
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Idealy22
Daty : 29/04/2025 20:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0423