Lokomena (Tanjona Randrianarivelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
LOKOMENA🫢💋Ilay tasitasy kely teo amin'ny akanjoko iny,
Aleo hazavaiko anao malala aloha ny zava-nisy,
Tsy hoe nampirafy anao akory sanatria,
Fa tena nifandrombahana be mihitsy hoa ilay bus,
Dia nipetaka teo @lambako, ilay lokomenany,
Nifanisika be tsy afaka nialana,
Dia za no nifoterany,
Madama efa antitra be zay, efa manjoko,
Nomeko seza izy dia nisolifatra fanindroany ilay loko...mena,
Aza manahy malala, za tsy hamitaka anao 'zany,
Ao fa sasàko mihitsy ny vilia, dia andana aloha mipetrapetraka,
Aza manahy malala, za tsy hamitaka anao 'zany,
Avia mihitsy aloha ataoko massage f'ianao hitako toa reradreraka,
Za tsy hampirafy anao,
Ilay niantso ana teo efa nataoko haut-parleurs,
Efa henontsika fa vehivavy diso numéro,
Tena henonao kosa angamba izy teo,
Hoe tsy anarako ilay notadiaviny fa Edmô,
Sipakely diso numéro, na mety te hampiady,
Mba matokia ana malalako oh,
F'ianao anie ilay vady.
Aza manahy malala, za tsy hamitaka anao 'zany,
Ao fa sasàko mihitsy ny vilia, dia andana aloha mipetrapetraka,
Aza manahy malala, za tsy hamitaka anao 'zany,
Avia mihitsy aloha ataoko massage f'ianao hitako toa reradreraka,
Za tsy hampirafy anao,
Ilay mangana amin'ny tendako aleo hazavaiko kely,
tsy ilay noeritreretinao iny fa biby kely,
Fa aleo ataoko aloha ilay rahaharaha,
Dia avy eo tsika miaraka mivoaboaka kely mihinana pizza...
Nampiditra El tsoa fyh n'Art
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tanjona RandrianariveloVangy : 37
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : eltsoa
Daty : 23/04/2026 20:55
