Hatraiza (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matetika ianao manontany ana,
Hoe hatraiza ny fitiavako anao,
Efa hainao tsara hoa ny valiny ah,
Fa mbola kely raha izao tontolo izao,

Androany izy ho ambarako, tsy izy rehetra fa sombitsombiny ihany,
Fa raha izay voalazako eto, mbola tsy ahavitana hamaritana ny fitiavako anao.

Raha handeha ianao, zaho koa hanaraka,
Za tsy mahafoy f'ianao no malalako ah,
Hiady mafy aho hasambatra anao, Avia fihiniko eto an-tratrako ianao.

Fa ny fitiavanao anie no hery ho ahy,
Fa raha ilaozanao anie very aho,
Ilaay foko efa fay lasa nitia indray,
Satria nositraninao ilay fery narary.

Sambatra loatra aho manana anao,
Raha tsisy anao angamba hijaly aho,
Karakaraiko ianao satria sila-panahy,
Faly aho satria ianao anie no anjara ho ahy.
Tiako ianao.

Tsy tonga lafatra aho fa tena ialako tsiny,
Ireo teny nandratra tsy averiko intsony,
Ianao anie malala tsy ananako maro,
Ana irery ianao fa tsy azo afangaro,

Tsy hanolo-bato mafana anao za aah,
Hanome fitia, fanajana,
Anilanao anilanao no mahatamana ana,
Raha mitsilopy ny fiainako ianao hazavana.

Raha handeha ianao, zaho koa hanaraka,
Za tsy mahafoy f'ianao no malalako ah,
Hiady mafy aho hasambatra anao, Avia fihiniko eto an-tratrako ianao.

Fa ny fitiavanao anie no hery ho ahy,
Fa raha ilaozanao anie very aho,
Ilaay foko efa fay lasa nitia indray,
Satria nositraninao ilay fery narary.

Sambatra loatra aho manana anao,
Raha tsisy anao angamba hijaly aho,
Karakaraiko ianao satria sila-panahy,
Faly aho satria ianao anie no anjara ho ahy.
Tiako ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanjona Randrianarivelo
Vangy : 165
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Natolotrniavo
Daty : 29/10/2024 01:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2378