Resinao Jesoa ô (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fitiavam-be natolotraoTamin'ny Ranao nalatsakao
'Zay nitondra aina vao, mba hamonjenao ny olonao
Faly izahay fa avotra tamin'ny otanay.
FIV : Resinao Jesoa ô ! Ny atahoranay
Fa nitsangana Ianao sy naneho fa
Tompo sy Andriamanitra.
2. Nomen'ny Ray ho anay Ianao
Mba tsy ho very izay mino Anao
Fa hiaina sambatra amin'ny fiaina-mandrakizay
Novahanao ny Lanitra ho fonenanay.
FIV : Resinao Jesoa ô ! ......
3. Be ireo mandà ny momba Anao
Sy ireo tsy mino ny herinao
Fa 'zahay kosa re dia resy lahatra amin'ny hoe :
"Ianao, Jesoa, nandresy ny fahafatesana".
FIV : Resinao Jesoa ô ! .......
--------
Rohy:
Hevitra
Black7
(
03/03/2026 06:49)
Hira mikasika ny Fitsanganan-ko velona
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe)Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Black7
Daty : 03/03/2026 06:49
