Kanefa Tompo (SLK Miantsa ATV)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ifonako eto imasonao ry TompokoIreo hadisoana vita adalana nataoko
Hiezaka aho anefa tsy hamerina hanindroa
Hivalozako ireo adalana vitako
Ref:
Kanefa tompo o! Mila ny herinao
Hanatontosako ireo asa aman-draharaha
Tsy ny sitrako anefa no aoka ataonao
F'ireo fantatrao fa mety ahasoa ahy
Kanefa tompo o! Mila anao
Hanatontosako ireo asa aman-draharaha
Tsy ny sitrako no aoka atao
F'ireo fantatrao fa mety ahasoa ahy.
2- Inoako anefa Tompo fa tsy ho lavinao
Sambatra ny fo ravoravo ny fanahy
Hanandratra hatrany ny voninahitrao
Mandram-pialako eto an-tany nomenao ahy.
Ref:
Kanefa...
Mpanoratra: M Michael G
Ny Antso
Slk Miantsa Andafiavaratra Tranovato 2026
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SLK Miantsa ATVVangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LalainaRakoto
Daty : 24/03/2026 07:48
