Ngoma (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any ianao izay malala
Asa raha mba mahatsiaro ahy
Fa ilay foko ato adala
Mila ho very fanahy

Manembona anao lava ho'aho zaho
Toy ny zaza very e
Manoatra noho ny kamboty
Milalao vovoka irery

Tsy ampy ilay tananao roa hamihina mafy e
Tsy ampy ilay vatanao iny hanome hafanana e
Tsy ampy ilay molotrao tiako hanoroka mamy e
Any aminao no misy ilay fitia tsy ho lany e

Aiza ianao ry tiako fa zaho zany efa ngoma e ?
Efa tena tsy andriko mihitsy ilay fotoana e.
Aiza ianao vadiko fa zaho zany efa ngoma e ?
Raha mba ny faniriako eo anilanao eo foana e.


Any ianao izay malala
Ny embona anao tsy mety misava e
Tsisy afaka hamafa
Ilay ranomaso an-tava e

Tsy mba misy itarainana e
Fa miady irery eto ô.
Banga loatra anao ny fiainana e
Lasa embona sy sento.

Tsy ampy ilay tananao roa hamihina mafy e
Tsy ampy ilay vatanao iny hanome hafanana e
Tsy ampy ilay molotrao tiako hanoroka mamy e
Any aminao no misy ilay fitia tsy ho lany e

Aiza ianao ry tiako fa zaho zany efa ngoma e ?
Efa tena tsy andriko mihitsy ilay fotoana e.
Aiza ianao vadiko fa zaho zany efa ngoma e ?
Raha mba ny faniriako eo anilanao eo foana e.


Aza miahiahy, ilay toeranao tsisy hahasolo ô,
F'efa natokako ho anao ilay foko manontolo ô.
Ianao aza miahiahy, ilay toeranao tsisy hahasolo ô.
F'efa natokako ho anao ilay foko manontolo ô.

Aiza ianao ry tiako fa zaho zany efa ngoma e ?
(Efa ngoma e)
Efa tena tsy andriko mihitsy ilay fotoana e.
Aiza ianao vadiko fa zaho zany efa ngoma e ?
(Efa ngoma e)
Raha mba ny faniriako eo anilanao eo foana e.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skaiz
Vangy : 4002
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 09/02/2022 18:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085