Veloma (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia sanatria ve ho faranana 'lay tantara
Fa hoy izy ianao mantsy hoe ny antsika roa tsy anjara
Manomboka eto 'tsika samy hananana ny làlana
Dia olon-tiana hafa indray aloha zao no tantanana

Raha ny amiko aloha mandeha ho azy eny ihany
F'ianao mahità ny mamy,
Matotra zany fa tsy hanihany

Veloma mampamangy any,
Veloma mampamangy any
Mahità ny soa
Mahazoa 'zay sahaza ny fo

Raha izaho aloha tsy hikafara,
Hoe hanao teny farany
Fa samy hahazo ny anjarany
Ka aleo tsy asiana ranomaso
Sao sanatria indray tojo ankaso
Izaho mivavaka ho anao io
Raha mahatsiaro ianao mba tsidio
Dia enga anie hahazaka ilay ditranao
Tsy iza fa lay olon-tianao vaovao
Fa 'tsika tsy maintsy hifandao
Fa zao,

Raha ny amiko aloha mandeha ho azy eny ihany
F'ianao mahità ny mamy,
Matotra zany fa tsy hanihany

Veloma mampamangy any,
Veloma mampamangy any
Mahità ny soa
Mahazoa zay sahaza ny fo

Zay vita tsy asiana nenina
'Reo lasa aleo tsy hitamberina
Fa tonga dia borkena
Raha ny hoe hifamerina tsy ekena

Raha ny amiko aloha mandeha ho azy eny ihany
F'ianao mahità ny mamy,
Matotra zany fa tsy hanihany

Veloma mampamangy any,
Veloma mampamangy any
Mahità ny soa
Mahazoa zay sahaza ny fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skaiz
Vangy : 3595
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/06/2019 10:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703