Valimbavako (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anio vao tena tsapako marina e, f'ianao lay valim-bavako
Lavo aho taloha fa izao tafarina e, noho ianao rahavako
Tsy nahay Aho akory hoe nitia fa mbola nikaviavia
Nampianarinao toy ny abidy hoe ny amintsika ho Doria

Refrain
(Skaiz)
Eto anatrehan'ilay Ray Aho no mandohalika e
omeo ahy lay tananao ho asiako ilay marika e
Eto anatrehan'ilay Ray Aho no mandohalika e, omeo ahy lay tànanao

(Miller)
tiako ho ren'izao tontolo izao hoe tena tiako ianao
Hiaraka antitra aminao, ity ny foko hanjakao
Fa Valim-bavako ianao
(valim-bavako ianao)*3

Hanaraka anao aho toy ny aloka, na @ mora io hoa na sarotra a
Ndraindray Zaza ndraindray matotra fa ny fitia nomeko anao tsara fatotra
Hiara-mizaka tsy hatao mahazo laka ireo izay tady hamingana e
Fitia lalim-paka ny antsika no hanjaka
Ka tsisy hahafafa lay dingana e

Refrain...

(Isika efa toy rano sy vary, raha maratra ianao izaho no marary
Eto anatrehan'ilay Nahary no atao ilay voady hoe tsisy hifanary )

Refrain : (Miller)

Na Na Na Na ye yeeeee
Na na na na Valim-bavako ianao ye ye
---
Nandika : Harivelo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skaiz
Vangy : 1680
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hariinfo
Daty : 22/01/2024 13:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221