Tsy avelako ho nofy (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Skaiz - "Tsy Avelako Ho Nofy"

Ekeko hoe tsy fanambitambazana
Tsy fanerena koa ilay fitiavana
Fa mba marary ihany anie raha mba hoe fandavana
Ny valinteny omenao raha hàvana
Za efa mba manantena ihany
Hoe indray andro any hahazo be ny mamy
Ny faniriako ho tanteraka ihany
Ilay hitoetra eo anilanao izany

(Izaho tsy hiala maina) ×2
Izaho tsy hiala maina oa fa hifikirako Ô
(Ilay fonao vohaina) ×2
(Ilay fonao vohaina oa fa mba hidirako Ô)×2

Raha mba mety anie, avia hiangaviako
Hanantanteraka any izay mba faniriako
Raha tafalatsaka aminao aza tsy fananiako
Efa miezaka nandà za fa voamaika tiako

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E...
Ny amintsika roa E (oay×3 oay×4)(×2)

Tsy vitako ny hanome ny lanitra
Hoe ho anao io satria izaho tsy mba Andriamanitra
Izay eo ihany fa aza mitady sarotra
Any amin'ny zavatra hafa miady varotra
Atreto aloha ny foko izao no omeko Ô
Satria izay aloha no takatro atreto Ô
Izay mombamombanao rehetra hekeko Ô
Mba valio moa fa aza avela hisento Ô

(Izaho tsy hiala maina) ×2
Izaho tsy hiala maina oa fa hifikirako Ô
(Ilay fonao vohaina) ×2
(Ilay fonao vohaina oa fa mba hidirako Ô)×2

Raha mba mety anie, avia mba hiangaviako
Hanantanteraka any izay mba faniriako
Raha tafalatsaka aminao aza tsy fananiako
Efa miezaka nandaha za fa voamaika tiako

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E...
Ny amintsika roa E (oay ×3 oay ×4)
Ny amintsika roa E....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skaiz
Vangy : 4740
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Joyo
Daty : 27/06/2020 21:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719