Any ianao (ft Tsota, Ar'son, Lan'jaya) (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nahateny toy ny moana
resy ka nangiana
Nihevitra mba namana aho niova ho fijaliana
Any ianao 2×
Ny saiko no nandao fa ny foko tsy nitony
Niezaka aho niarina toa tsy tany intsony
Any ianao 2×

Aza raisina hoe nofy ,aza heverina hoe tsisy
Raha zay aloha ny vita ankehitriny odiako tsy hita
Mamisavisa sisa no azo atao
Ataoko f'efa ampy ahy

Mbetika ianao variana ndray tsy te hahalala
Izaho no mangingina irery modimody adala
Any ianao iny ee!!, any ianao!!

Tsy nahateny toy ny moana
resy ka nangiana(...)

Ny ranomaso ny ahy tsy alaka io fa tsitsiko
Dia aza mantena intsony fa ny fo ny anah efa nohidiko
Ny ratra niafiko ,tena ampy ahy izay
fa ianao no mba iriko
Akobo koff-boy
Ilay sahaza anao fa ny antsika efa tsy anjara
Aleo hilamina any koa fa fitia voarara
Tsy hifanomezan-tsiny io raha tsy raikitra
Misaraka tsisy maratra ôtran'ny banga mifanaikitra
Ianao rahateo koa mo saro-tiavina ôtran'ny pont
Lolohavina manaikitra raha iala ianao de ndao
Tsisy fo mitempo intsony ao f'efa niova
Any ianao ra kala kely f'efa niova

Tsy nahateny toy ny moana
Resy ka nangiana (...)

Raha sigara ny fitia ianao no atao hoe mifoka miafina
Efa haiko ny ao an-dohanao na tsy hitsotra hoe miavona
Tambitamby teo dia nde hanaraka lelah
Efa omena "good luck" mbola hiverina "melia"
Henatrao zany na dia hoe malahelo ny aty
Fa ny mahagaga miha matavy aho fa tsy miha-mahia
Voatery hanaraka regime hampihena-tena
Hiditra salle de zum noho ny eo de andeha hitsena antena
mdr zany fa Tsota tsy mba be kafara
Mahita soa,mendrika,tonga lafatra sy tsara
Amin'ny takolaka biz muah muah et voilà
Misaraka isika fa tsy hoe fara-andro na hoe aretina ebola

Tsy nahateny toy ng moana
Resy ka nangina(...)
--------
Rohy:
Hevitra
boyanjahnah ( 29/08/2017 06:01)
Hira somary efa taloha izy ity fa tiko kanefa tsy hitako tato dia nahiditro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skaiz
Vangy : 2556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : boyanjahnah
Daty : 29/08/2017 06:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1087