Misaotra Misy (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa eo anilanao 'zah toy ny zazakely
Madiditra fa rehefa eo ianao malemy
Reo hadalako rehetra rehetra hainao tsianjery
Tsisy hazaka mihitsy raha tsy ianao io rery.

'Lay fisinao miatraika aty anatiko
Mandoro 'lay fitiavanao fa tantiko
Henin-kasambarana henin-kafaliana
Toy ny mpanjaka rehefa anilanao ry tiana.

Ianao no hanazava ny lalako ô
Jambaanao aho ka raiso ny tanako ô
Raha heloka ny mitia ianao no hanagadra an'ahy
F'efa any aminao 'lay lakilen'ny gadana

F'Ianao no hanazava ny lalako ô
Jambanao aho ka raiso ny tanako ô
Raha heloka ny mitia ianao no hanagadra an'ahy
F'efa any aminao 'lay lakilen'ny gadana.

Na volamena na diamondra
Na voaheloka aho na voafonja
Tsy mbola nisy natakalonao ahy
Misaotra anao amin'ny fo sy fanahy.

Na volamena na diamondra
Na voaheloka aho na voafonja
Tsy mbola nisy natakalonao ahy
Misaotra anao amin'ny fo sy fanahy.

Fitia tsy mitanila fa zato isan-jato
No nomenao ahy tsy mila tambiny eh
Nampiverina nitempo 'lay foko efa vato
Foiko anao manontolo koa tsy asiako ambiny eh.

Satria raha noana aho tsy nambelanao mosary eh
Raha sendra tomany aho nomenao mosoara eh
Tsy mba navelanao raha sendra lavo ô
Tsy natositosikao na mavomavo ô.

F'Ianao no hanazava ny lalako ô
Jambanao aho ka raiso ny tanako ô
Raha heloka ny mitia ianao no hanagadra an'ahy
F'efa any aminao 'lay lakilen'ny gadana.

Ianao no hanazava ny lalako ô
Jambanao aho ka raiso ny tanako ô
Raha heloka ny mitia ianao no hanagadra an'ahy
F'efa any aminao 'lay lakilen'ny gadana.

Na volamena na diamondra
Na voaheloka aho na voafonja
Tsy mbola nisy natakalonao ahy
Misaotra anao amin'ny fo sy fanahy.

Na volamena na diamondra
Na voaheloka aho na voafonja
Tsy mbola nisy natakalonao ahy
Misaotra anao amin'ny fo sy fanahy.

Ianao no hanazava ny lalako ô
Jambanao aho ka raiso ny tanako ô
Raha heloka ny mitia ianao no hanagadra an'ahy
F'efa any aminao 'lay lakilen'ny gadana

Na volamena na diamondra
Na voaheloka aho na voafonja
Tsy mbola nisy natakalonao ahy
Misaotra anao amin'ny fo sy fanahy.

Na volamena na diamondra
Na voaheloka aho na voafonja
Tsy mbola nisy natakalonao ahy
Misaotra anao amin'ny fo sy fanahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skaiz
Vangy : 4125
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hariinfo
Daty : 23/01/2023 22:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3903