Saotra (Rbrl)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Ianao ilay Jehovah RayIanao ilay nitantana ahy
Nandritr'izay taona maro izay
Nampianatra, nitarika, nanitsy sy nanatra
Ianao, Ianao, Ianao Andriamanitra
Tsy voatanisako ireo zava-tsoa
Nataonao tamiko
Fa tiako re androany ny hankalaza Anao
Satria faly ny fo
Ref : Ka saotra Ray, misaotra be dia be
Teo anilako, akaikiko
Mankasitraka aho fa tsara loatra Ianao
Mba raiso re izao fiderana izao
2/ Ny hoavy ankamantatra
Ianao no mahafantatra
Mahatoky Anao, mahatoky Anao izahay
Am-pelatananao ry Ray ny andro sisa iainanay
Ankininay tanteraka Aminao
Tsy voatanisako ireo zava-tsoa
Nataonao tamiko
Fa tiako re androany ny hankalaza Anao
Satria faly ny fo
A/C: Rizia Rbrl
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RbrlVangy : 263
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fitiavana_Rbrl
Daty : 12/05/2025 13:16
