RAIVO (RABERANTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niandry aho, niherikerika foana teny
Fa aiza ianao? Aiza ianao?
Nijery, nitazana ny lalanao
Tsy tonga ianao, tsy avy ianao, anhan!

Nangasihasy irery aho
Nanganohano re ny masoko
La la la la la! La la la! Irery, ankona

Fantatro fa tia ahy ianao
Izaho koa tia anao, izaho tia anao
Henoko reninao tsy mankasitraka ahy
Misakana antsika roa tsy hiaraka
Anhan!

Heveriny aho ho adala
Ratsy toetra sy fanahy
Aza mitsara olona ivelany ianao

Sahirana aho hijanona sa hiditra?
Misalasala, sadaikatra aho
Ianao mbola ambany fifehezan-dreninao
Tsy afaka manoatra ianao
Anhan!

Ny disadisan-dreninao
Raha mbola mitohy foana
Handray fanapahan-kevitra aho any aoriana
Aza tsiny,
Any  aoriana, any aoriana...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABERANTO
Vangy : 1023
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dahfara
Daty : 23/08/2021 13:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778