Ilay tary kely (RABERANTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay tary kely voasarona foana
Ny androm-piainana tsisy mazava
Misy milako, misy manompa
Ilay tary kely miasa ihany
Manangona akondro eny Isotry
Mba hiotrehana sy hivarotana eny an-tsena
Ity re ny loza rehefa misy deraiman masinina ingah
Tsy miakatra ny akondro avy any ambany afara
Eo lery fa mihanahana

Torohevitro ho an’ialahy
Mianara mianara
Azon’ialahy letsy irony PDG
Ao letia misy vola
Ao tsy mamonjy lery
Mibaikobaiko fotsiny
Iray volana lesy dia vola

Rehefa harivariva dia lasa lery
Lasa manao katramì
Any an-kibon’ny omby ny zava-tadiaviny
Raha vao maraina ny kandra mazàna
Ao amin-dRazefa mpanao hotely
Nangataka fisondrotan-karama
Lasa ialahy mandeha fa be ny mpikarama
Lasa lery mitady fika hatrany
Manao lavazy eny Ankorondrano
Be ireo mersa sady besandry
Voadaroka lery ka lasa mitomany

Torohevitro ho an’ialahy
Mianara mianara
Azon’ialahy letsy irony PDG
Ao letia misy vola
Ao tsy mamonjy lery
Mibaikobaiko fotsiny
Iray volana lesy dia vola

Ao letsy ialahy tsy mantsaka
Ao ialahy tsy katramì
Ao ialahy tsy mpanao lavazy
Ao ialahy tsy voadaka

Ao letsy ialahy voahaja
Ao ialahy iadiana daba
Ao ialahy mety voaompa
Voaompa tsy hita maso

Torohevitro ho an’ialahy
Mianara mianara
Azon’ialahy letsy irony bezovona be

Ilay tary kely voasarona foana
Ny androm-piainana tsisy mazava
Misy milako, misy manompa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABERANTO
Vangy : 1856
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/02/2015 00:54
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121