Fitsapana (RABERANTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Variana am-pitadiavana
Tsy mahatsiaro ny Mpitahy
Voafingana am-pandehanana aho
Eo vao lasa ny ahiahy, ny ahiahy

Fonenako tranonkala
Mihorona hariva, rava, rava maraina
Zanako botrabotra
Nefa sakafom-borondolo no haniny
Ny alina miantoka ny antoandro
Indraindray mandry fotsy,
Hay mbola misy ny Mpitahy

Izao vao tsapako ny eto an-tany
Zavatra atao fitsapana
Mijaly vao mahita hohanina
Dia mivarina an-kady matetika fanina
Izay vao miantso ny Tompo

Variana am-pitadiavana
Tsy mahatsiaro ny Mpitahy
Voafingana am-pandehanana aho
Eo vao lasa ny ahiahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABERANTO
Vangy : 1889
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/02/2015 00:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0659