Mélodie (RABERANTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao aho ry Ray,fa tsy nakifikao , tsy nolavinao.
Hiaraka Aminao Jesô,ho maivana entana aho,hahay hiresaka aho.

Na dia moana aza aho,na malemy Tompo ô!
Ianao no Teny ,Ianao no Hery andry iankinako
Na dia adala aza aho,tsy ampy saina ity zanakao
Ianao Jesô tsy mba manao ahy tsinontsinona

Misy koa anie Jesô,ireo jamba marobe variana foana ety
Raha sitranonao ry Ray ny aretiko izao,dia hino ireo ka ho tia

Ny famindramponao,no andrasanay
Hanokatra ny mason'andro sisa iainanay
Mino aho Tompo ô, fa ho afaka izy ireo
Dia ahalala ny anaranao sy ny voninahitrao

Satria Ianao no miahy anay ety
Satria Ianao no miantra ahy mélodie!
--------
Rohy:
Hevitra
isa ( 08/04/2016 00:01)
aiza no mba ahitana ny mozikanio hira mélodie io azafady e
dahfara ( 12/07/2016 20:39)
toa tsy misy vidéo io fa angatahina ny tarika raberanto hamoaka clip
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABERANTO
Vangy : 2449
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : dahfara
Daty : 11/01/2015 21:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3872