TARATASIN-DRAKALAMOMBA (Ny any aminay)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Na lavitra aza ny tany eny ho’aho a ! Na tondraka aza ny rano eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
2-Raha resy any an-tany fiadiana aza ho’aho a !
Ka nilozan’ilay olon-tiana aza ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
3-Raha niady izahay sy ny zanany eny ho’aho a !
Tsy naleony ny azy naterany eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
4-Raha Ory nizaka ny mafy aza ho’aho a !
Na mahantra tsy manan-kitafy aza ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
5-Raha rovitra aza ny lambako eny ho’aho a !
Na mandositra aza ny namako eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
6-Miorakoraka hono ny Sahona eny ho’aho a !
Mitakosona ve izany rahona ? eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
7-Raha tapitra izay nohariako eny ho’aho a !
Ampodio any an-tany niaviko eny ho’aho a !
Tsy ho very tsy ho havanareo anie aho a !
(Rakotoarisoa)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny any aminayVangy : 412
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoured
Daty : 09/03/2023 11:09