Anatra (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zanako ianareo ianareo tiako tokoa
Amin'ilay tsy mampatory raha misy fahabangana
Satriko ho fahanana hanimpitoloha
Fa tsy isan'andro akory aho no ahavita izany

Tsy ho zakanay babena mandrakizay
Na hikiry tahaky ny inona eo aza izahay
Raha mbola ho trotroina mandrakantitra
Isika samy sorona hijaly

Omano,
Omano izay hahasoa

Mahaleovantena ho hary elatra
Ahita zava-maro ankafizina
Fifehezan-tena no takian'izany
Raha tsy izay ianareo ho potika ahita atambo

Tsy izahay no hitantana mandrakizay
Dieny dia mba raiso antanana ary ny ho avy
Diso famindra eo anie mety hiakapoka
Na ho anatra aza ireny dia ifadina ihany.

Omano,
Omano izay hahasoa

Tsiahiviko etoana ary izay nandratra an'ahy
Misy hitandremanareo rahatrizay
Be ny fahadisoana azo nosorohana
Raha nisy nanoro, raha namakafa

Na fianarana io na voady ,vola sy ny vady.
Saina sy ny fo no mifidy azy.

Omano,
Omano izay hahasoa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 50
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 29/09/2024 13:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142