Kintana mamiratra (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpiara-monina tsy hangina rahoviana
Mahita ho lazaina
Avo vava rehefa hanakiana
Marisa raha mba ilaina

Hivaky loha hanaraka an'izay malaza
Aza mila doka e!
Kajio ny fiainanao mba tsy ho kinanga
Tano ny sitrakao

Refrain :
Avelao hiteny izay hiteny
N'inoninona io
Aoka tsy hampahory anao
Meteza ho Tokana aman-tany
Kintana mamiratra
Tompon'ny safidinao

Mpiara-monina tsy hangina rahoviana
Mpiara-monina mahita ho lazaina foana
Raha mijoro ela dia misy manakiana
Mihetsika eo dia efa izay ihany

Hivaky liha hanaraka an'izay malaza
Hitady doka hamiratra amin'izao tontolo va
Kajio ny fiainanao mba tsy ho kinanga
Tano ny sitrakao

Refrain :
Avelao hiteny izay hiteny
N'inoninona io
Aoka tsy hampahory anao
Meteza ho Tokana aman-tany
Kintana mamiratra
Tompon'ny safidinao

Atrakao re ny loha
Hatreo ampitsikiana
Izay mason'ny mpanilika fa
Ho avy any indray androany any
Zareo hisitrisitrika
Hanaraka ny dianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 45
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 29/09/2024 13:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4453