Madama be (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noentiko niraozy dia niara-nihidy an-trano dia mba samy nankafy. Hey
Niresaka maharitra, izay natao nahafinaritra, nibaboka fa tia.
Tsy hitahita teny dia niantsoana ray aman-dreny sy rafanja, vita ny dinika.
Nahazo sipa kely avy eo nampiana bandy kely ka madama be izao indry.

Madama be, itako isan'andro.
Sady anjely no andriamanitro ihany koa.
Madama be, henoko isan'andro.
Ianao no mifampiraza izay manjo.

Sempotry ny ketrika, nandefitra ny fihetsika nahatara azy iny taloha.
Nahatonga tebiteby fa toa tafo sisa iraisana, k'asarota-piaro nifoha.
Be dia be ny scène, ahatsapana hoe olombelona ihany ilay anjeliko.
Tia mibedibedy dia indraindray mirediredy, miseho milay mampivonto fo.

Madama be, itako isan'andro.
Iray trano indray vao lavitra ahy ianao
Madama be seremônina isan'andro.
Na izany aza mifampizara izay manjo.

Hay ianao tsy mahatoky, miandry ahy haneho indray, ilay fitia nantenaina ho doria.

Ka avaoziko anio ary ilay efa nekeko fa ianao ihany.
Ilay tiana sy ilaina ary mbola andrandraina tsy miova.
Omeko anao avokoa izay takatry ny loha sy ny hoza-peko fa,
Ianao ilay hany tokana mahavoky ny fo sy fanahy.

Hoy ianao hoe, satriko isika raha hatramin'ny mbola kely dia efa niaraka teny.
Lazaiko anao hoe, mbola ho lava raha ny ho avy hiarahan-tsika mianakavy hanonerana ireny.

Ka avaoziko anio ary ilay efa nekeko fa ianao ihany.
Ilay tiana sy ilaina ary mbola andrandraina tsy miova.
Lava be ny resaka, ny ataoko no efa hita ka jereo tsara
Raha mila tohanaina na koa foto-tsakafo eo izaho.

Marary ianao mihatra amiko, mahatsara anao tadiaviko
Ô madama ôooo!
Ndao mihitsy aloha hampiaraka fa avelao ny sasa-lamba.
Tiana sy ilaina ianao ravady f'aza manahy.
Tiana sy ilaina ianao ravady f'aza manahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 64
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 13/08/2024 10:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102