Fitadiavana (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vahiny an-tany niaviana aho letsy
Toin'ny tsy teto ilay toerana nahazatra ahy.
Lasa aiza koa, ireo akama mpivorivory tetsy?
Misioka ihany aho fa ny alika indray no manantona ahy.
Mampatahotra be.

Lozanao ry fitadiavana,
Lozanao, lozanao.
Naniraka ahy lavitra havana,
Lozanao, lozanao
Izao ny lalana mody aza mila tsy ho hita
Very aho izao, very aho izao
Efa feno trano, tsena kely sy ny sisa
Mama izaho tsenao fa ndeha hamangy anao.

Nony avy eo, dia lasa aho nijerijery,
Gaga aho nahita ny ankamaroan'ireo boay kely.
Zazakely fahiny fony izaho mbola tary amin'ny tanàna.
Manambady madama, mitaiza fa tsy mikarama.

Misaotra anao ry fitadiavana aa,
Misaotra anao, misaotra anao
Fa na dia lavitra ny havako aho
Misaotra anao, misaotra anao.
Ny kandra amelomako tena efa hita
Efa feno akama, olon-tiana sy ny sisa
Malala izaho tsenao fa ndeha hamonjy anao.

Fandria-mafana, valala manan-tody
Tsy miara-mitoetra ny iray afoy
Raha mandry fotsy eo tsy mahatsindry tsihy
Tsy maintsy mikofoka,
Nadia iray vilia.

Fomban'ny fiainana izany.

Misaotra anao ry fitadiavana aa,
Misaotra anao, misaotra anao
Fa na dia lavitra ny havako aho
Misaotra anao, misaotra anao.
Ny kandra amelomako tena efa hita
Efa feno akama, olon-tiana sy ny sisa
Malala izaho tsenao fa ndeha hamonjy anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NV
Visites : 79
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 09/05/2024 00:10
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132