Rakoto (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika ankehitrio ve
Mba tsara noho i Rakoto
Ilay mpikiky tapaka, mpanoko sikidy izay tsy izy.

Rakoto!

Tsy nangorina nihoatra ny ilainy izy,
Nanaja ny voahary,
Zanaka no harena, ny ihavana no iriany.

Refrain :
Ankehitriny ny be sy ny maro mihevi-tena ho lasa ambony
Mankahala ny fomban-drazana lazainy fa devoly
Karazam-pivavahana avy any ampita any.
Manameloka an'Drakoto ka misitrisitrika izy.

Tsy mila izay baiboly any izy.
Tsy mino an'i Kristy
Zanahary sy ny razana, no mpiaro nofidiny.

Rakoto

Tsy sahy manao ratsy izy
Enjehin'ny eritreriny
Alohan'ny hiteny izy miala tsiny, ny ihavana no iriany.

Refrain :
Ankehitriny ny be sy ny maro mihevi-tena ho lasa ambony
Mankahala ny fomban-drazana lazainy fa devoly
Karazam-pivavahana avy any ampita any.
Manameloka an'Drakoto ka misitrisitrika izy.

Andihizan'ny vahiny ny tany,
Valalan'amboa izao ny fomba!
Tsy misy izay tsy voaotafady,
Mbola ho laitran'ala-faditra va?

Rahoviana isika no hahalala aody?
Rahoviana vao tsy hahatahotra intsony

Rahoviana no homen-danja, hanan-kasina ny haren-tsaina nolovaina tamin'ny Ntaolo ka
tandrovan'dRakoto.
Zaho gasy, zaho gasy maika ery hisehoseho nefa ny razam-be tsy fantatra, ny an'olona asandratra ary
ny an-tena enjehina hatrany.

Rakoto ô! Mila anao ny tanintsika,
Ampio izahay te hifoha, tario ho dimbinao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 134
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 09/05/2024 00:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143