Dahalo (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanao be fiavy, tao an-tanàna
Ny dahalo zato lahy
Tsy niafina intsony, namaky vala
Efa za-draharaha.

Lasa niery , nanavotra aina
Hatramin'ny vatan'dehilahy
Tsy mitsitsy
Tsy misy hindra fo
Ireo mpitifitra azy.

Nanao be fiavy, tao an-tanàna
Ny dahalo zato lahy
Tsy niafina intsony, namaky vala
Efa za-draharaha.

Satria ny aina tsy ananampiry
Dia milefitra tsy satry
Manantena Fiovana atsy ho atsy

Mandry tsy lavo loha
Mitebiteby lava
Rahoviana indray no
Ho avy ireo mpandrava
Ny misasatra miary,
Toa efa mankalao.
Tsy mampite hiasa tsotra izao

Dila ny dahalo, nandao ny tanana
Tonga ny vazaha
Hitady ny very, sa miala bala
Manao sinema

Impiry impiry, no nitaraina
Hatramin'ny vatan-dehilahy
Tsy hita akory
Izay fiatsarana
Vao mai-loza aza

Satria ny aina tsy ananampiry
Dia milefitra tsy satry
Manantena Fiovana atsy ho atsy

Saingy kibo tsy mba lamosina
Dia miezaka tsy satry
Manantena Fiovana atsy ho atsy

Ny dahalo kosa hono
Tsara baiko misy mpiahy
Sakaizana mpitondra ambony
Sady mpandraharaha

Fa Miaramila
Tsy nahazo engagement
Tonga loandoan'ireo
Dahalo zato lahy
Miambozona kalaky
Mivavaka, midara
Mbola voky hen'omby
nisasaran'lahy

Fa ny atody tsy miady amim-bato
Dia mifitsaka miafy
Rahoviana ilay fiovana vao ho avy

Ny tsinay anie ka vatsy
Dia miezaka tsy satry
Manantena fiovana
Tsy ho avy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 56
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 09/05/2024 00:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369