Maitso kely (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitandro ny filaminana no asandreo
Basy sy hery tsy hay lembenana no angadindreo
Tandroka hiaro, saina hamakafaka, maso mijery
Hikaroka ny marina, hanafay izay tsy tandalàna

Raha ianareo no mikinanga, kolikoly lava mikodia ny firenena.
Maitso kely a!
Adidy masina izany
Maitso kely a!
Mahaleova mahalasana

Zovy no antenaina, iza no ho mpiaro
Ry zalahy mitandroka mandratra ny ao an-trano
Maso fa mamitaka, jamban'ny vola
Vao mahita azy elah avy dia mihorohoro

Very very very ny firenena.

Mitandro ny filaminana no asandreo
Basy sy hery tsy hay lembenana no angadindreo

Raha ianareo no mikinanga, kolikoly lava mikodia ny firenena.
Maitso kely a!
Adidy masina izany
Maitso kely a!
Mahaleova mahalasana

Aza mbô manitsaka sefo
Na dia be kiraro
Aza mbô manitsaka hoy aho
Mateza hianareo hiaro.

Ampanajana izany sefo!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 634
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 08/06/2024 07:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143