Mpanjaka ben'ny Tany (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nodorana ny ala
Nandefitra ny tany
Vonoina ny biby
Nandefitra ny tany
Feno akora simika
Nandefitra ny tany
Bomba atômika
Nirefotra ny tany.


Ref:
Tandremo, sao mihevitra ianao
Fa handefitra hatrany ny tany
Efa marary anie izao tontolo izao
Andraso ho faty dia ho hitanao

Maloto ny eto, etsy manome toky
Mamotika dia lasa maka vaovao
Manjakazaka loatra ny olombelona k'injao
Volana aza tiany atao kilalao.

Manana aina, mahatsiaro marary
Ny biby, ny tany, ny zava-boahary
Ny rivotra, rano, sy ny olona ihany koa
Mifampiankina mba marina moa.
Aza mba atao kitoatoa.

Mpanamboatra sa mpandrava?
Tapao ny hevitrao
Mpamboly sa mpamono?
Tapao ny hevitrao
Ho tsarainy tantara
Tapao ny hevitrao,
Ho lasa angano ve ny ala.
Fa notapahinao.

Ref:
Tandremo, sao mihevitra ianao....
Aza mba manao kitoatoa.
Plastika tsy kevona manerana ny tany,
Solika miraraka any anaty ranonany,
Potika ny ala, izay tsy tapaka may.
Setroka manempotra, any anaty misy vay.
Izaho aloha tsy miteny hoe aza kitikitiana,
Fa hoy aho joe mba mendrika asiana fandinihina.

Te hamela lova dia mangoron-karena,
Ny tontolo iainana anefa hosihosena.
Izay rehetra hota maso ka hatrany ankibon'ny tany.
Aripaka anio fa fandrosoana hono izany.
Ny zanak'izy ireny angamba efa nanamboatany,
Planety kely iray mahavita tena,
Isika izay tsy afaka mifindra monina any
No mba hiangaviako ikolokolo ny tany ka tandremo,
Loza mihatra izy izao,
Simba ny zava-boary...
Efa marary anie izao tontolo izao,
Ndrao mampihombo ny aretiny ianao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NV
Hits : 80
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 09/05/2024 00:13
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1102