Ben le gadra lava (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nampodiana fa nahavita ny sazy,
Ilay nogiazana tsy ankitambitamby,
Ilay valovotaka tany ampigadrana,
Ilay tsy hay noraràna iny.

Antitra tsy misy mpiahy,
Vao hianatra miaina indray,
F'izay fantany taloha
Niova avokoa

Efa be loatra ny fotoana
Laniny nigadrana
Ankehitriny afaka izy
Tsy hainy hoe inona no atao?

Mierikerika izy eny andalana
(niherikerik'izy, niherikerika, mitadidy izay hombana)
(Faly sahirana izy o)
Mitady ny fiaviany (aiza no hiafarana, aiza no hiafarana)
Ilay tanàna fahiny
(Aiza no hiafaraaaaana)
Mba hilasiany. (Aaaaa)

Gaga pokona (gaaaa)
Toa miahiahiahy (gaaaa)
Nahalala ilay rangahy (aaaa)
Hoe gadra-lava (aaa)
Havana aman-tsakaiza aza (Haaaa)
Manilikilika. (Maaaa)
Tsy nisy te hahalala azy.
(Tsy nisy, tsy, tsy nisy te hahalala a)
Tsy nisy te hahalala azy. (Tsy nisy te, halaaa)

Nirotsaka ho mpisam
Fa mba te hihinankanina
Na dia efa kely vovok'aina
Satria faly an' izy raha gadraina

Dangy anio maraina
I Ben le gadra lava
Satria tsy ampy lazon'ady
Nefa te hitady

Efa be loatra ny fotoana (Efa be da be, a efa be da be)
Laniny nigadrana (Efa be da beeee)
Ankehitriny afaka izy
Vita ny adiny eto an-tany

Hotsaraina va izy eny any andanitra? (Oooo)
(Mino aho fa tsy hisy izany) (Aaa)
Hitohy ve ny fijaliany? (Tooooo)
Ho lombolombony fahiny (oooo)
Voahilika izy...

Faly ny pokona (Aaa)
Nisinda ny ahiahy (Aaaa)
Fa maty ilay rangahy (aaa)
Gadra lava (aaa)
Havana aman-tsakaiza aza (aaa)
Manilikilika ((aaa)
Kanefa tsy afa niala (tsy nisy, tsy nisy tsy te hahalala,
Nefa tsy afa-niala (tsy nisy te haaaaaa)

Solo..
Bridge..

Henatra tsy roa aman-tany
Ny any havany naka ity faty
Nivalapatra teny andalambe
Taingenan'ny latra be dia be
Mitsiky toa mbola mihomehy
Sady miosindra.

Tsy nisy filazana manjo
Toa fandevenana natao antsokosoko
Ny fiangonana efa tsy nandray azy
Ny fasana koa tsy natao ho azy
Lavaka no nanitrihana azy
Mba tsy hamofona.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 154
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 12/05/2024 13:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3814