Hihiaka Fihobiana (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Mijoro eto anatrehanao izahay
Manaiky fa ho irakao ry Ray (a a a)
Ka na sarotra ny làlana aleha
Tsy hatahotra aho fa Ianao nilaza hoe :
Aza matahotra, aza matahotra [1ere voix]
F'Izaho momba anareo [Mitovy feo]
Ka sahy izahay [basse]
Hitory sy hanambara
Ilay filanzantsara
Na maro aza ireo mpanenjika
Satria Ianao [basse]
Nifidy anay ho mpanompo
Izay tsy mahasoa akory
Ka hihiaka fihobiana ho Anao izahay
Hiaka fihobiana ho Anao izahay
2)
Mijoro eto anatrehanao izahay
Manaiky fa Ianao no Tomponay (a a a)
Ka na dia romotra satàna lozabe
Tsy hatahotra fa hihiaka mafy hoe :
Jesoa Kristy no làlana sy fiainana [1ere voix]
Hahazoana fiadanana [Mitovy feo]
Ka sahy izahay [basse]
Hanolotra ny haja
Hanandratra ny dera
Na maro aza ireo mpanenjika
Satria Ianao [basse]
Mpanjaka manan-daza
Tsitoha ambony indrindra
Ka hihiaka fihobiana ho Anao izahay
Hiaka fihobiana ho Anao izahay
Jesoa Kristy no làlana sy fiainana [1ere voix]
Hahazoana fiadanana [Mitovy feo]
Hitory sy hanambara
Ilay filanzantsara
Na maro aza ireo mpanenjika
Satria Ianao [basse]
Nifidy anay ho mpanompo
Izay tsy mahasoa akory
Ka hihiaka fihobiana ho Anao izahay
Hiaka fihobiana ho Anao izahay
A/C : Fanjanirina Francine
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)Visites : 25
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FitiaCatt
Date : 28/01/2026 08:42
