Ny voninahitra ho Anao (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny voninahitra ho Anao, Tompo Andriamanitray
    Fa mpanjaka Avo indrindra Ianao
    Ny tany hheampzg sy ny lanitra
tononkira.serasera.org    Dia samy mankalaza sy midera ny Anaranao

Ny masoandro manazava, ny volana sy kintana
Dia asa tananao Ry Ray Tsitoha
Fa na ny alina mangina, prxmofo na ny androm-pifaliana
Dia fanomezanao avokoa
Ka anehoanay fihobiana sy ny hiram-pifaliana
Tena vokatry ny fo

2. Fa fihiram-baovao no entinay midera Anao
    Ry Jesoa Kristy mpamindrafo
    Fa nentinao ny helokay fkkv
    Voadionao ny otanay noho ny rànao soa

Ambony ny fitiavanao nanoloranao ny ainao
Ho famonjena anay sakaizanao
Ny olom-boavonjy velon'aina dia ravo fo sy saina
Efa maty nefa velona indray
Ary ny saotra haja, hery dia ho Anao irery
Ho Anao mandrakizay

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 924
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 23/05/2022 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0359