Ny voninahitra ho Anao (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny voninahitra ho Anao, Tompo Andriamanitray
    Fa mpanjaka Avo indrindra Ianao
    Ny tany sy ny lanitra
    Dia samy mankalaza sy midera ny Anaranao

Ny masoandro manazava, ny volana sy kintana
Dia asa tananao Ry Ray Tsitoha
Fa na ny alina mangina, na ny androm-pifaliana
Dia fanomezanao avokoa
Ka anehoanay fihobiana sy ny hiram-pifaliana
Tena vokatry ny fo

2. Fa fihiram-baovao no entinay midera Anao
    Ry Jesoa Kristy mpamindrafo
    Fa nentinao ny helokay
    Voadionao ny otanay noho ny rànao soa

Ambony ny fitiavanao nanoloranao ny ainao
Ho famonjena anay sakaizanao
Ny olom-boavonjy velon'aina dia ravo fo sy saina
Efa maty nefa velona indray
Ary ny saotra haja, hery dia ho Anao irery
Ho Anao mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GAFLI
Visites : 495
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Solofomandimby
Date : 23/05/2022 18:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764