MITADIAVA AN'I JESOA (ZAKAIOSY) (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoy tsara ity tantara iray
Raha nandalo tao Jeriko Jesoa
Dia nisy lehilahy iray mpamory hetra sady fetsifetsy
Mpanambaka ny rehetra
Nangetaheta ny hahita an'i Jesoa
Dia nananika aviavy
Fa hoy Jesoa midina faingana ianao
F'hiantrano aminao aho anio

     Zakaiosy no anarany
     Be dia be ireo tantarany
     Fa rehefa nifanena t@ Jesoa
     Dia nafoiny ny harena
     Ka nandray ny famonjena
     ZAKAIOSY! ........lehilahy niova fo


Ary ianao io koa mba manao ahoana
Raha namakivaky lalan_tsarotra?
Tao ny filibana sy ny fisotroana ary ny fidoroana
Filalaovan_dratsy tsy voatanisa
Ankehitriny efa fantatro ny lalan_tsara
Ka iny no hizorako
Efa lasa ireo zavatra taloha
Indro efa olom_baovao aho izao

      Jesosy mpiady mahery
      Mikaroka ireo ondry very
      Fa anio ianao raha mihaino ny feo
      Dia ny amoram_ponao
      No andrasany amin'izany
      JESOSY!..........vonona handray anao
    

                                                                        A/C : Mr Tafita
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 506
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiavinannie
Daty : 01/04/2022 20:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724