Avelao (feon'anjomara mahajanga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela no nikasako ny hanovako ity toetrakoKanefa ny foko mihitsy minia ny handà ny sitrakao
Ireo ditra sy ny adalàna, ny fiainana fijangajangana
Ka hifonako Aminao re ry Ray be fihantràna!
Koa ankehitriny aho mifona Aminao ry Ray!
Avelao ny fahadisoako! izay mangeja ahy isanandro
Avelao, avelao, avelao!
Ny fahotako
Koa ankehitriny aho mifona Aminao ry Ray!
Avelao ny fahadisoako! izay mangeja ahy isanandro
Avelao, avelao, avelao!
Ny fahotako
Very làlana aho hatrizay re! ka tsy nahalala afa-tsy izaho
Hay ny fiainako rehetra rehetra tena tsapako 'kay manjoretra
Ireo ditra sy ny adalàna, ny fiainana fijangajangana
Ka hifonako Aminao re ry Ray fihantràna!
Koa ankehitriny aho mifona Aminao ry Ray!
Avelao ny fahadisoako! izay mangeja ahy isanandro
Avelao, avelao, avelao!
Ny fahotako
Koa ankehitriny aho mifona Aminao ry Ray!
Avelao ny fahadisoako! izay mangeja ahy isanandro
Inty aho, inty aho, inty aho!
Iraho aho!
AVELAO
Feon'anjomara Mahajanga Album Vol.01
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : feon'anjomara mahajangaVisites : 41
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : EliseeR
Date : 27/11/2025 06:46
