dada (feon'anjomara mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hary toy izao mihitsy angamba
Raha tsy noho ianao ry Dada ô!
No niahy sy nikarakara
Ny mahasoa anay

Hirifiry, fijaliana nifafy
Ny onjam-piainana namely mafy ô!
Raha tsy noho ianao ry Dada
No niahy isanandro

Refrain:
Ny anatra izay nomenao
Aoka tsy hisy ho very maina
Fa fisaorana be dia be
Ho anao ry Dada ô! Malala ô!
Ny Tompo anie no homba anao
Amin'ny androm-piainanao rehetra

Ô ry namako izay diso anjara!
Aza kivy fa any mbola misy ô!
Ilay Ray be Fitiavana avo
No 'lay Ray tsy manam-paharoa (2x)

Refrain:
Ny anatra izay nomenao
Aoka tsy hisy ho very maina
Fa Fitiavana be dia be
Ho anao ry Dada ô! Malala ô!
Ny Tompo anie no homba anao
Amin'ny androm-piainanao rehetra (2x)

Dada
Feon'Anjomara Mahajanga; Album Vol.02
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : feon'anjomara mahajanga
Visites : 46
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : EliseeR
Date : 27/11/2025 07:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0806