Bitsika mangina (Charly Rakotoarimanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy bitsika mangina
Ao amponao ao
te hiteny anefa ianao
vahotra avy hatrany

Misy tsiambaratelo
ny fitia aminao
ambarao
sao mandratra anao

Toa vahotra avy hatrany ao
raha hilaza ny vavako
menatra ao raha toa
hanambara ny fitiavako

Ka ho avy ny fotoana
sy ny ora mba ho avy
anambarako aminao
ny ao am-poko ao

Miandry ny fotoana
sy ny ora mba ho avy
miandrandra izany
na ny lahy na ny vavy
Teny indraim-bava
manambara ny ao ampo
dia tanteraka avy antrany
ny fikasan'olondroa

Charly Rakotoarimanga
mihira :Chantal
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Charly Rakotoarimanga
Visites : 3943
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : misamisa
Date : 14/04/2016 20:12
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103