Ampy ho anao ny fahasoavako (Chœur Hazavana - EKAR Md Laurent Alasora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Resy ikms lahatra aho anio fa tsy mahefa n'inona n'inona
Fa toa faharesena sy tsy fahombiazana foana no mba hitako
Saika kivy sy torovana aho noho ny fahalemeko
Nefa injay ny feonao mibitsika mankahery ahy.

Dia miantrana amin-kery vaovao indray ilay fanahiko
Tafajoro na dia efa saika lavo, valalanina sy fanina
Gaga tsy nahateny intsony aho dia ilay dina no indro averiko
Dina feno toky, feno aim-panahy miantso mafy ahy.

Refrain :
Ampy ho anao ny fahasoavako
Aza mitanondrika, mijoroa tononkira.serasera.org ho lehilahy
Hitako avokoa ny fijalianao rehetra
'Zany indrindra no hiamparan'ny heriko.

Raha mamoy fo irery trotraky ny adin-tsaina iny aho
Te-handositra ny fiainana fa tsy manan-kianteherana
Injay fa misy ddik hery miafina henoko any tsy haiko hotakarina
Mankahery ahy foana, miantso mafy hoe...

Refrain :
Ampy ho anao ny fahasoavako
Aza mitanondrika, mijoroa ho lehilahy
Hitako avokoa ny fijalianao rehetra
'Zany indrindra no hiamparan'ny heriko.

Auteur & ruxmpkqb Compositeur : Thierry Risman

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chœur Hazavana - EKAR Md Laurent Alasora
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Thierry71
Daty : 08/08/2026 23:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0563