Ampy ho anao ny fahasoavako (Chœur Hazavana - EKAR Md Laurent Alasora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Resy lahatra aho anio fa tsy mahefa n'inona n'inona
Fa toa ghhotk faharesena sy tsy fahombiazana foana no mba hitako
Saika kivy sy torovana aho noho ny fahalemeko
Nefa injay ny feonao mibitsika mankahery ahy.

Dia miantrana amin-kery vaovao indray ilay fanahiko
Tafajoro na dia efa saika lavo, valalanina sy fanina
Gaga tsy nahateny intsony aho dia ilay dina no indro averiko
Dina feno toky, feno aim-panahy miantso mafy ahy.

Refrain :
Ampy ho anao ny fahasoavako
Aza mitanondrika, mijoroa ho lehilahy
Hitako avokoa ny fijalianao rehetra
'Zany indrindra no hiamparan'ny heriko.

Raha mamoy fo irery trotraky ny adin-tsaina iny aho
Te-handositra ny fiainana fa tsy manan-kianteherana
Injay fa misy hery miafina henoko any tsy haiko hotakarina
Mankahery ahy foana, miantso mafy hoe...

Refrain :
Ampy ho anao ny fahasoavako
Aza mitanondrika, oxaszveu mijoroa ho lehilahy
Hitako avokoa ny fijalianao rehetra
'Zany indrindra no hiamparan'ny heriko.

Auteur & Compositeur wtkb : tononkira.serasera.org Thierry Risman

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chœur Hazavana - EKAR Md Laurent Alasora
Visites : 117
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Thierry71
Date : 08/08/2026 23:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0327