Fasana Faharoa (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay fasako, fasana iany
Fa ny foko dia fasana koa  
Io no fasako ivelan’ny tany  
Io no fasako iray faharoa    
Tsy mba vero na mba rangolahy  
No manafinan’ io fasan’ io  
Fa ny nofoko zary manahy  
No mandrakotr’omaly sy anio
                          
Sentosentoko mamelovelo
Ranomaso toloko tsy tana
Izy ireny no sarin’avelo
Mitampody ka sarotra ialana
    
Ao ny nofo novolavolaina
Izay nisinda nalaky tsy hita
Ao no rendrik’ ilay nantenaina
Ilay sambo natao ho tafita
Ao ny tsantan’ny andro taloha
Sy ny hiran’ny fahazazako
No milevina ka tsy mifoha
Na noheverina mba hitondra ako
  
Sentosentoko mamelovelo
Ranomaso toloko tsy tana
Izy ireny no sarin’avelo
Mitampody ka sarotra ialana

BARIJAONA  (J.J.Rabearivelo)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 1903
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Natoro
Daty : 20/02/2018 10:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0784