Ndeha hilalao (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(duo lahy sy vavy)
He tomarataratra ilay volana eny ambony toa miantso :
Ndeha hilalao, ndeha hilalao
Ny kintana amin’izany sy ny rahona irony toa
Mikopaka anao, mikopaka anao
Ny bitsiky ny rivotra miritsoka any ho any toa
Miventy hoe avia, miventy hoe avia
Avia, avia, avia hilalao

Ianao, eny ianao izay mitalaho, avia mifalia
Faingana é! miandry anao izao tontolo izao, herezo ny dia

(solo lahy) Eny fantatro ianao fa mbola voaratran’ny lasa
(solo lahy) Kanefa, ovay ho vao, ny ratra kobonina
(duo lahy sy vavy) Dia zary mandratra

(duo lahy sy vavy)
He tomarataratra ilay volana eny ambony toa miantso :
Ndeha hilalao, ndeha hilalao
Ny kintana amin’izany sy ny rahona irony toa
Mikopaka anao, mikopaka anao
Ny bitsiky ny rivotra miritsoka any ho any toa
Miventy hoe avia, miventy hoe avia
Avia, avia, avia hilalao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 6859
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAZAFINDRANAIVO Harilala
Daty : 02/12/2003 05:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712