Aminao Jesoa no hasambarako (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa mba ho aiza izahay Jesosy ô
Raha mbola ety an-tany ety (an....)
Ny mba sitrako ho ahy ry Tompo ô( ry Tompo ô...)
Ny hiara-dalana Aminao doria

Ka mba raiso aho anio Jesosy ô
Fa manolo-tena ho Anao izao
Ekeko izay anjara tendrinao
Ekeko re satria: Aminao Jesoa no hasambarako

Raha hody izahay rahatrizay
Tiako mamiko ny ho eo Aminao (an...)
Ka hitoetra anilanao mandrakizay (mandrakizay...)
Ry Jesoa Tompo be fitiavana ô

Ary ekeko re ny ho mpanomponao
Ho fanasina hanambara Anao ety
Ekeko izay anjara tendrinao
Ekeko re satria: Aminao Jesoa no hasambarako

A/C: Andrianirina Lovaniaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafia Ambodihady
Vangy : 429
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsikinavalona
Daty : 18/11/2022 13:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947