Aminao Jesoa no hasambarako (Asafia Ambodihady)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa mba ho aiza izahay Jesosy ôRaha mbola ety an-tany ety (an....)
Ny mba sitrako ho ahy ry Tompo ô( ry Tompo ô...)
Ny hiara-dalana Aminao doria
Ka mba raiso aho anio Jesosy ô
Fa manolo-tena ho Anao izao
Ekeko izay anjara tendrinao
Ekeko re satria: Aminao Jesoa no hasambarako
Raha hody izahay rahatrizay
Tiako mamiko ny ho eo Aminao (an...)
Ka hitoetra anilanao mandrakizay (mandrakizay...)
Ry Jesoa Tompo be fitiavana ô
Ary ekeko re ny ho mpanomponao
Ho fanasina hanambara Anao ety
Ekeko izay anjara tendrinao
Ekeko re satria: Aminao Jesoa no hasambarako
A/C: Andrianirina Lovaniaina
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Asafia AmbodihadyHits : 519
Likes : 0 Like
Created by : Tsikinavalona
Date : 18/11/2022 13:54