Taranaka Voafidy (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Indreto izahay izay voafidinao
Hanao ny asanao ry Ray
Manomboka anio ka ho mandrakizay Hanohy ny asa izay nampanirahinao
Hamita ireo adidy
Izay ny hoe taranaka voafidy

Ref: Fa ianareo kosa
Taranaka voafidy
Fanjakam-pisorona
Firenena masina

2- Ekeko re anio, eny na ho tadio
Voafidy aho ka tsy handà
Manoro ahy ny Fanahy Masina ho tena sahy
Ka ho mpiasanao, ho miaramilanao
Hanao ny asanao ety
Handraisanay ny valisoa ankoatra ary

lanao Jesoa Tompo nampianatra
Mba hanompo ka tsy hitsahatra
Hitory koa ny Filazantsaranao
Mba hanenika izao tontolo izao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0426