Kristy no fiainana (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny zava-drehetra mandalo fa tsy mitoetra Ny fiainana an-tany ho lany ho vetivety ihany
Fa fiainana mandrakizay ho an'izay mino ny Ray
Fiainan-tsambatra sy mamy tsy misy fiafarany
Tsy hoe any ankoatra, Vao fiaina-madio
Afaka mivoatra, dieny mbola anio
Tsy hoe any an-danitra any, Vao fiainan-tsoa
Dieny ety an-tany, andao hiova fo
Koa manatona, avia mivonòna
Fa isika izao, hiredona hoe:
:,: Jeso Kristy no fiainako
Manova ny fo sy fisainako
Hiankinako amin'ny andro sisa iainako KRISTY :,:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIAVangy : 492
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrytianarajoelison
Daty : 11/04/2022 20:31