EO AN-TSOROKAO (AMPIZIFA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eo an-tsorokao tokoa ny fanapahana (Jesoa)Ny Anaranao atao hoe Mahagaga (Jesoa)
Ary koa Mpanolo-tsaina sy Mahery koa
Ray Andrian'ny fiadanana Ianao Jesoa
Tsy mba manam-paharoa tokoa ny Herinao (Jesoa)
Fa ny Fahefana rehetra eo an-tananao (Jesoa)
Ny lohalika rehetra mandohalika (Jesoa)
Ary avy Aminao ny Famonjena
Manapahà amin'ny foko Ianao Jesoa
Manam-pahefana feno amin'ny fiainako (Ianao)
Tsy hanam-pahataperana tokoa ny Herinao Tompo ô
Maharitra mandrakizay
'Lay fanetrentenanao no atao filamatra (Jesoa)
Halain-tahaka tokoa fa soa fianatra (Jesoa)
Andriamanitra Mahery, Be fitiavana
Naka endrika mpanompo Ianao Jesoa
Tsy mba manam-paharoa tokoa ny Herinao (Jesoa)
Fa ny Fahefana rehetra eo an-tananao (Jesoa)
Ny lohalika rehetra mandohalika (Jesoa)
Ary avy Aminao ny Famonjena
Manapahà amin'ny foko Ianao Jesoa
Manam-pahefana feno amin'ny fiainako (Ianao)
Tsy hanam-pahataperana tokoa ny Herinao Tompo ô
Maharitra mandrakizay
Manapahà amin'ny foko Ianao Jesoa
Manam-pahefana feno amin'ny fiainako (Ianao)
Tsy hanam-pahataperana tokoa ny Herinao Tompo ô
Maharitra mandrakizay
Antoko MPIhira ZIona FAhazavana Anosibe AMPIZIFA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMPIZIFAVangy : 106
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 02/10/2024 15:51