NENY (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy na dia iray ety an-tany
Mahasolo anao 'lay niteraka ahy
Ô! ry Neny maminay, tsy ho adinonay mandrakizay
Ilay fitiavanao niharitra mba ho anay

Ry Neny ô! mivavaka ho anao izahay
Hotahian'ny Ray anie ianao
Ka ny fahasoavan'i Jesoa Tompo anie ho Aminao
Izahay zanakao, hiezaka hanaja anao

Tompo ô! tohanonao hatrany anie ity Reninay
Aza avelanao irery, fandrao ho reraka
Izahay ankohonany, ampianarinao hifankatia
Fa izany re no tena tian'i Neny

Indro apetraka Aminao ny fiainan'ity Reninay
Ianao Jesoa tsy hisaraka amin'i Neny
--------
Rohy:
Hevitra
AMPIZIFA ( 18/03/2024 09:23)
Hira tsara atao fanomezana ho an'i NENY rehefa fetin'ny Reny...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 116
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 18/03/2024 09:06
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121