Tsara Jesosy (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Asandratray e! Ianao Jesoa
Torinay e! Ny Anaranao
Fa lehibe tokoa ny Herinao
Faly sy ravo zahay izao
             REF: Aleloia,Aleloia tsara Jesosy
                    Tena tsara ka mba hifikiro e!
                    Tano mafy ary izay anananao
                    Mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao

2.Tsara dia tsara e! Ny manompo Anao
Indrindra raha feno ny Fanahinao
Afaka aretina sy adin-tsaina
Ny olana rehetra dia ho vahana

3.Ho anao mandre izao hira izao
Andao andramo ka izao
Fa n'inon'inona hasolo Azy
Tsy misy mihintsy ny toa Azy

                
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ampifafi
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Dadasa
Date : 22/04/2026 08:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0335