Teraka anio (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°Teraka, teraka anio
Teraka anio Jesosy re !
Teraka, teraka anio
Teraka anion ny Tomponao
Ka mihobia ry olona
Ka miderà  haleloia
Teraka ao Betlehema
Ilay Mpanjaka, Mpanjaka lehibe
Teraka, teraka tokoa Jesosy
Ilay mpamonjy anao
2°’Ndreo Magy, Magy re !
No nanaontany nanao hoe :
Aiza no teraka re
Ilay Mpanjaka Lehibe ?
Nahita kintana izahay
Ka tonga mba hiankohoka
Ao Betlehema Ao Jodia
No teraka Ilay Mesia
Ao Betlehema ao Jodia
No teraka Jesosy re !

3°Mpiandry ondry tao an-tsaha
No nahita fahitàna
Nisehoan’ny Anjely
Izay manambara manao hoe :
Ka mifalia ry olona
Fa mpamonjy no teraka
Teraka ao Betlehema
Ilay Mpanjaka, Mpanjaka lehibe
Teraka, teraka tokoa Jesosy
Ilay Mpamonjy anao  
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ampifafi
Visites : 21
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Dadasa
Date : 22/04/2026 08:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1239