Ray Malala (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Ray malalaô, Ray Malala ô!
   Maniry Anao ny anatiko ao
   Ray malala ô, Ray Malala ô!
   Aiza Ianao ry Ray malala ô!
Eto anivon'ny voahary no mangaihay foana
Tsy mahita izay hombana mahatsiaro ny hadisoana
Hianao ry Ray malala no andrasana hanony
Izany foko mitaraina mitalaho tokoa tokoa
2)Jeso malala ô, Jeso malala ô!
   Miandrandra Anao aho hanohana ahy
   Ka na ho mafy aza izay hosedraiko
   Tokiko Ianao Jesosy ô!

Maro ireo fakam-panahy sy ny fizahan-toetra
Mila hanaketraka ahy amin'ny hatanorako
Soa fa teo Ianao Jesosy, Ilay nanohana ahy hatrany
Nampitoetra nampandresy mampita ahy ho an-danitra
3) Fanahy Masina ô, Fanahy Masina ô!
    Kasiho aho fenoy ny herinao
    Amboary ovay ho mendrika Anao  
    Ny toe-poko tena mila anao
                      Raha ny heriko ato anaty no andehanako hanompo
Dia tsaroako fa tsy ho tanty ny adim-panahy izay ho sedraina
Fa Ilay herinao mahagaga hery izay tsy hay tohaina
No iriko ka hiantefa amiko ho mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0253