Ny Anaranao Jeso (Ampifafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY ANARANAO JESO1. Ny Anaranao Jeso, Anaran-tsoa tokoa
Ka tiako antsoina ao am-bavako ao
Ny Anaran-tsoa tokoa tsy manam-paharoa
Ka dia soa tokoa
Izay rehetra vory eto dia nahazo famindram-po
Ry Jeso mpanala ny sento
Mpanafaka ny alahelo ao am-po
Ref :Ry Jeso malala tsy foiko ny firaisana Aminao
Ireo havako nobaboiko hananany fiainam-baovao
Handraisany ny fiainam-baovao (x3)
Hentinay handova ny lanitra
2. Ny Herinao Jeso dia hery manavao
Mitondra ny vonjy amin’izao tontolo izao
Ny Herinao Jeso manafa-tahotra
Mampiorina anay
Fenoy ny Herinao Jeso izahay mpanomponao
Ho vokatra sy hitombo
Ny fahasoavana natolotrao anay
--------
Lien:
